Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-12

14 Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro.

15 Raha ny tongotra hanao hoe: Tsy isan'ny vatana aho, satria tsy tànana, dia izany ve no tsy haha-isan'ny vatana azy? 16 Ary raha ny sofina hanao hoe: Tsy isan'ny vatana aho, satria tsy maso, dia izany ve no tsy haha-isan'ny vatana azy? 17 Raha maso avokoa ny vatana, inona indray no ho fandrenesana? Ary raha fandrenesana avokoa, inona indray no ho fanamboloana? 18 Rantsam-batana maro anefa no efa nalahatr'Andriamanitra eo amin'ny vatana, araka izay itiavany azy avy. 19 Ka raha rantsam-batana iray ihany izy rehetra, aiza izay vatana? 20 Koa maro àry ny rantsam-batana, fa iray ihany ny vatana. 21 Ny maso tsy mahazo manao amin'ny tànana hoe: Tsy mila anao aho; ny loha tsy mahazo milaza amin'ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho. 22 Fa ny rantsam-batana izay miseho ho malemilemy kokoa aza no vao mainka ilaintsika kokoa; 23 ary ny rantsam-batana izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa aza no omentsika voninahitra bebe kokoa. Koa ny tsy misy hajany ao amintsika no hajaintsika kokoa; 24 fa izay mendrika rahateo tsy mila izany. Satria tamin'ny nanaovan'Andriamanitra ny vatana, dia izay kely voninahitra kokoa no nalahany homena voninahitra bebe kokoa, 25 mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny vatana, fa mba hifanasoa avokoa ny rantsam-batana rehetra. 26 Koa raha mijaly ny rantsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny rantsam-batana rehetra; fa raha mahazo voninahitra kosa ny rantsam-batana iray, dia miara-mifaly ny rantsam-batana rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0642